<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>King Thibaut</author>
<hymn_number>272</hymn_number>
<title>Faly izahay nandre FFPM272</title>
<lyrics>[V1]
 Faly izahay nandre
 Havan-tia nanao hoe :
 &quot; Miaraha aminay,
 Trano soa halehanay &quot;.

[V2]
 Efa tonga izahay
 Mba hivavaka Aminao :
 Ry Jehovah Tomponay,
 Mitahia ny olonao !

[V3]
 Miandrandra Anao izahay,
 Ka mangataka Aminao
 Hanomezanao anay
 Soa avy Aminao.

[V4]
 Dia sambatra izahay,
 Fa mitoky Aminao ;
 Ka ho tanterahinay
 Izay rehetra sitrakao.

[V5]
 Hoderainay Hianao
 Andro aman-alina,
 Mbamin'ny Anaranao,
 Foto-piadanana.</lyrics>
</song>